Listen to Ramiaramila song with lyrics from Mahaleo

Ramiaramila

Mahaleo14 Mar 2005

Ramiaramila Lyrics

Ramiaramila - Mahaleo

Written by:Honore Rabekoto/Charle-bert Andrianaivo/Famantanantsoa Rajaonarison/Rakotobe Andrianabelina/Zafimahaleo Rasolofondraosolo/Rakotobe Andrianabela/Razafindranoa Raosolosolofo

 

Ialahy ialahy 'lay tsy matory

 

Fa variana mieritreritra

 

Ialahy ialahy 'lay mieritreritra

 

Tsy mety mahita tory a

 

Ny lalana nodiaviny toa miakatra sy midina

 

Ny fiainana iainany manaraka an'iny a

Ny omaly hitan'ialahy

 

Ny androany eritreretina

 

Ny androany hitan'ialahy

 

Ny ampitso eritreretina

 

Ny lalana nodiaviny tsy fidinana intsony

 

Ny lalana nodiaviny efa lasa fiakarana

 

O Ramiaramila ô zay manana kaska tsara tarehy

 

Lohanao iny ô dia voasarona tsara

O Ramiaramila ô zay manana kaska tsara tarehy

Sainao iny ô tsy voasarona kosa

Toa manahirana fa mivezivezy

 

Ny fisainana ao anaty kaska

 

Tsy mahatombona ny fisainana

Fa mitady lalana ivoahana

 

Rehefa misy rotaka

 

Rehefa misy rotaka

 

Mila hikorontana ny loha

 

Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila

 

Ka miady saina satria

 

Any lavitra any e ny vady aman-janaka

 

Mivaralila ny ankizy any an-tanana

 

Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana

 

O Ramiaramila ô izay milanja basy tsara tarehy

Rehefa manana azy ô dia manjary sahisahy

O Ramiaramila ô izay milanja basy tsara tarehy

Iny basy iny ô hitifiranao an'iza

Toa manahirana ny mandinika an'izany

Toa manahirana ny mamaly an'izany

Fa ny miaramila ho'aho mpanatanteraka ny baiko

Hatraiza moa ny fetra hanarahany an'izany

 

Rehefa misy rotaka

 

Rehefa misy rotaka

 

Mila hikorontana ny loha

 

Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila

 

Ka miady saina satria

 

Any lavitra any e ny vady aman-janaka

 

Mivaralila ny ankizy any an-tanana

 

Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana

Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana

 

 

Tsy misy mpiambina ny ao an-tanana

Popular Songs