Somambisamby Lyrics
Somambisamby - Mahaleo
Lyrics by:Razafindranoa Raosolosolofo
Composed by:Razafindranoa Raosolosolofo
Somambisamby re ry lahy e
Toy ny andro diavolana
Ka ontsaontsa ny fanahy e
Fa maro ny olana
Manembona ny any aminay e
Tanàna tsy foina
Mahatsiaro ireo havanay e
Tsy hay hadinoina mba jerijereo
Mba jerijereo e
Ny tananàntsika
Ny tananàntsika
Aza avela hangina
Aza avela hangina
Aza avela hangatsiaka
Aza avela hangatsiaka
Fa mbola ho tonga
Fa mbola ho tonga ô
Indray androany
Indray androany
Hitondra ny soa
Hitondra ny soa
Hitondra ny mamy
Hitondra ny mamy
Hirongo tantely
Hirongo tantely
Hirongo vilany
Hirongo vilany
Toa mateti-pihavy kanefa
Ilay ora-panala
Ka lasa ny saina miantefa
Hamangy ny malala
Toa lavitra anefa ny any e
Ka saro-banjinina
Ny sento no hampitaina any e
Veloma masìna veloma masìna
Veloma masìna
Veloma ry tiana
Veloma ry tiana
Afaho ny alahelo
Afaho ny alahelo
Fafao ny hakiviana
Fafao ny hakiviana
Fa mbola ho tonga
Fa mbola ho tonga
Indray androany
Indray androany
Hitondra ny soa
Hitondra ny soa
Hitondra ny mamy
Hitondra ny mamy
Hirongo tantely
Hirongo tantely
Hirongo vilany
Hirongo vilany
Na dia maro ny zava-midona
Aza atao mampifezaka
Aza kivy na very finoana
Mandehana miezaka
F'ao anatin'ny ngidy ny mamy
Ka saro-takarina
Fa misy ny ambony sy ambany
Izany no marina fa ny ady tsy vita
Ny ady tsy vita
Fa mbola hitohy
Fa mbola hitohy
Tsy mety hotafita
Tsy mety hotafita
Raha mamoifoy
Raha mamoifoy
Ka raiso ny ampinga
Ka raiso ny ampinga
Raiso ny hery
Raiso ny hery
Handresy ireo kinga
Handresy ireo kinga
Tsy maneritery
Tsy maneritery
Handrava fanànana
Handrava fanànana
Hamokatra fery
Hamokatra fery